4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misaotra anao - Tarika Sammy



Isaorana Anao

Ry Ray tsitoha

Ny fitiavanao

Sy fahasoavanao

Tsy takatray

Lehibe tokoa

Ny fandaharanao

Sy fitantananao



             Nomenao anay

             Ilay tokanao

             Ho faty mba hisolo

             Ny helokay

             Ny fanavotany

             No avotra ho anay

             Andriamanitra o

             Isaoranay Ianao



Mahagaga tokoa

Ny asa tananao

Nomenao

An’izao tontolo izao

Mahatsiaro sambatra

Ny manana Anao

Ka ho deraina

Mandrakizay Ianao



                                Tarika Sammy

Partager misaotra anao

Commenter misaotra anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tarika Sammy